<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>725</hymn_number>
<title>Alina ny andro FFPM725</title>
<lyrics>[V1]
 Alina ny andro
 Ka efa mba hatory
 Ny masonay ;
 Hianao Jehovah ô !
 Izay tsy mety sasatra,
 No aronay. (in-2)

[V2]
 Lasa ny mazava,
 Ka ny masoandro
 Tsy hitanay ;
 Tsy matahotra izahay,
 Hianao an-danitra
 Mahita anay. (in-2)

[V3]
 Fa ny kintana eny
 Efa manazava
 Ny dianay ;
 Koa tsy nafoinao,
 Fa nasehonao ireo
 Ho tokinay. (in-2)

[V4]
 Alina sy andro
 Samy mba manaiky
 Ny tendrinao ;
 Tonga re ny maizina,
 Nefa tsy ilaozanao
 Ny olonao. (in-2)

[V5]
 Eto ny mazava
 Dia manam-petra ;
 Fa ao aminao
 Tsy mba misy alina,
 Fa mamirapiratra
 Ny tavanao. (in-2)</lyrics>
</song>